Ny Liana Mada dia fikambanana nasionaly miorina eto Madagasikara, tsy miankina amin’ny antoko politika, tsy manavaka ara-pinoana na ara-pirazanana, manaraka ny didy Hitsivolana laharana faha-60-133 tamin’ny 03 Oktobra 1960, tsy voafetra ny faharetany. Mikendry ny fanandratana ny maha-izy sy ny fampandrosoana iombonana amin’ny alalan’ny fanentanana sy fampiroboroboana ny talenta, ny kolontsaina, ary ny harena voajanahary.
I. Tanjona sy Kendrena
- Fanandratana
ny maha-izy
- Hamerina
sy hamelona ny fahatokisan-tena sy ny fahavononana hanao soa iombonana
- Hanasongadina
modely mahomby entina mandrisika ny mpikambana hampivelatra ny talenta ananany hahafahany
mizara sy mitondra fampivoarana iombonana
- Fiombonan’ny
mpikambana
- Hampiray
hina ny mpikambana miainga avy amin’ny faritra misy azy, hahafahana
mifanampy amin’ny fampandrosoana ny tsirairay sy ny fiaraha-monina misy
azy.
- Fampiroboroboana
ny harena momba ny fahaiza-manao, kolontsaina ary tontolo iainana
- Hanofana
sy hampianatra ny mpikambana sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny
fanehoana, fanatsarana ary fiarovana ny hasin’ny tanana sy ny vakoka, fampisehoana
zavakanto, ary ny fanajana sy fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fomba
maharitra.
II. Soatoavina Fototra
- Fiaraha-miombon’antoka
sy fanohanana
- Miaro
sy mampiroborobo ny maha-olona amin’ny fanomezan-daja ny fanampiana
ara-tsosialy, ara-panabeazana ary indrindra ny asa fampivoarana iombonana.
- Fankasitrahana
ny talenta
- Manome
vahana ny talenta sy ny fahaiza-manao rehetra, mihevitra fa loharano
voalohany sy fototra iorenan’ny fampandrosoana izany
- Fanajana
ny kolontsaina sy fiarovana ny natiora
- Mampifandray
ny fomba nentim-paharazana isa-paritra amin’ny paikady maharitra
hanatsarana ny fiveloman’ny tsirairay sy ny mpiara-belona.
- Manaja
ny hasin’ny kolontsaina sy ny zava-kanto ary miaro ny tontolo iainana sy
ny harena voa-janahary.
- Mangarahara
sy fitantanana ifampizaràna
- Mampihatra
fitsipika mazava sy mangarahara amin’ny fitantanana tetik’asa, vola, ary
loharanon-karena, miaraka amin’ny fandraisana andraikitra iombonana.
III. Rafitra sy Fitantanana
- Rantsana
Nasionaly
- Foibe
mitantana ny politika stratejika, fandrindrana ny programa nasionaly, ary
fitarihana ireo rantsana faritra.
- Mifehy
ny politikan’ny fikambanana sy ny fampiharana ny sata fototra
- Rantsana
Faritra
- Manatanteraka
hetsika fampandrosoana mivantana eny ifotony, miara-miasa amin’ny
fiarahamonina ary mitantana sy mitondra ny hetsika fampandrosoana eo
an-toerana.
- Fitarihana
- Filoha
Mpanampy isam-paritra: Mitantana ny rantsana faritra eo ambany
toromarika avy amin’ny Filoha Nasionaly.
- Voatanisa
ao anaty “fitsipika anatiny” ireo toerana hiasan’ny fikambanana (zone
d’intervention), mba hahazoana antoka ny fitoviana sy ny mangarahara
IV. Paikady 2025–2027: « Araraoty ny talenta anananao ary
miaraha mivoatra »
- Fototry
ny fampandrosoana iombonana
- Mihevitra
ny fikambanana fa ny talenta ho fepetra fototra hamoronana
fiaraha-miasa mahomby sy fampandrosoana iombonana.
- Ny
fikambanana dia te hirona amin’ny filozofia miompana amin’ny maha-olona
ka hanome vahana ny adidin’ny
tsirairay amin’ny tenany, amin’ny mpiara-monina ary amin’ny kanto, ny
natiora ary zavaboary.
- Fampivoarana
ny maha-olona
- Manaja
ny talenta sy ny fahaiza-mamorona, mampifandray sy mampivelatra ny fanomezam-pahasoavana
ananan’ny tsirairay hanatsarana ny tena, ny hafa ary ny tontolo.
- Fiarovana
sy fampiroboroboana ny vakoka sy ny kolontsaina
·
Miasa amin’ny fitahirizana sy fampahafantarana ireo
fomban-drazana sy kolontsaina tsy voasoratra fa hiainan’nny mpiara-belona,
mampifandray izany amin’ny fampiroboroboana ny asa-tanana sy ny kanto.
Fehiny : Ny fikambanana Liana Mada dia
mampifandray ny talenta, ny kolontsaina, ary ny natiora sy ny harena
voajanahary ho fampandrosoana iombonana. Amin’ny alalan’ny soatoavina
mazava, rafitra mangarahara, ary foto-kevitra miorina amin’ny
olona, manome sehatra, fitaovana ary fitarihana ho an’ny mpikambana
tsirairay mba hanandratra ny tanjony sy hanangana fiarahamonina matanjaka,
maharitra ary mahaleo tena.